Podcasts by Category
- 176 - [CA] LOZA MANAMBANA APOKALYPTIKA
Manoloana ny fiakaran'ny WOKISME dia mi - s'organiser ireo Millenariste fondamentaliste (miasa mangina any ambanin'ny tany).
Ireto farany mandray ara bakiteny fa izy ireo no voafidin'Andriamanitra HONO (les élus) hanatanteraka ny ARMAGEDON. Tsy faminaniana no ataoko fa lecture politique et historique ary idéologique, izay efa amperiny fa tsy rediredy akory.
Fri, 09 Aug 2024 - 2h 18min - 175 - [HP] NY HO AVIN'NY FIANGONANA ?
Tsy mahamenatra na mampatahotra ahy ny miantsoantso mandrakariva fa ny taranaka ankehitriny dia vavolombelon'ny "fin d'un cycle de vie" n'nyFiangonana. Izaho dia tsy mihambahamba mihitsy fa ny INSTITUTIONALISATION vokatry ny cléricalisme no fositra naha lasa "coquille vide" ny Fiangonana ankehitriny ka na dia mijoalajoala sy mameno stade sns aza izy ireny dia KIPANTSONA VARAHINA MANENO sisa. Mahatsara zavatra anefa izany fa raha tsy levona ny voambary tsy hahavokatra izy. Mialoha ny hahaterahan'ny zazakely iray dia tsy maintsy mandalo fanaintainana mafy. Eo amin'izay "phase" , izay mihitsy ny fahitako ny zava misy ankehitriny.
Fri, 01 Nov 2024 - 1h 42min - 174 - [HP] FARASISANA FINOANOAM-POANA TAVELA AO AMIN'NY FIVAVAHANA KRISTIANA
Matoa nisy izany REFORME DEUTERONOMIQUE nataon'i Mpanjaka Josia izany dia satria mbola namofompofona SYNCRETISME (fampifangaroana finoana roa samihafa tsy afaka mikambana mihitsy).
Sarotiny ery isika mampianatra ny Didy voalohany , nefa eo anivon' ireo olona heverina fa sarotiny ny amin'izany indrindra no mbola TENA mampifangaro zavatra izay tena tsy AFAKA NY HIFANGARO mihitsy.
Koa eto dia ialanay tsiny mialoha sahady fa na dia œcuménique aza aho dia tsy afaka hi- cautionné zavatra izay TSY AZO EKENA mihitsy. Ary toy izany koa na dia TENA ZANAKY FIFOHAZANA koa aza aho dia tsy afaka ny hangina fotsiny koa amin'ny fombafomba lokoina ho mistery nefa mbola tena fara sisana finoanoam poana.
Fri, 27 Sep 2024 - 1h 27min - 173 - [HP] MAMPAHANTRA na/sy MAMPANANKARENA VE NY FIVAVAHANA KRISTIANA ?
Nisesisesy be ny fanehoan kevitra teto amin'ny facebook fa hoe nampahantra an'i Madagasikara ny fivavahana Kristiana. Affirmation gratuite ve izany sa fanaovana raccourci ?
Teo ihany koa ny izay milaza fa tsy mahay miara-dalana ny fahantrana sy ny Filazantsara.
Manoloana ireo fanehoan-kevitra roa ireo, dia manasa antsika hanaraka izao LIVE izao hanehoana fa manan-kolazaina manoloana izany ny ETHIQUE PROTESTANTE, izay loraharano nipoiran'ny Esprit capitalisme.
Fri, 06 Sep 2024 - 1h 15min - 172 - [HP] FIVAROTANA NOFY : MIAINGA AVY AMIN'NY TSY MISY HONO NO LOHARANON’NY FAHOMBIAZANA ?
Voizina be mihitsy tato ho ato ny hoe " départ Zéro " aho nanangana ny orisanasako, " départ zéro " aho nanatanteraka ny nofinofiko, " départ zéro " sy tsy nisy n'iza n'iza ary tsy nanana na inona na inona aho nefa ankehitriny hitanareo amin'izao ny fahombiazako sy ny firoborobon'ny orinasako sns... Quand on veut on peut HONO eeee, sao dia mifamadika amin'izay no tokony ho izy hoe : QUAND ON PEUT ON VEUT ? (PRAGMATISME EMPIRIQUE INDUCTIVE)
Fri, 16 Aug 2024 - 1h 53min - 171 - [QZ] Questions/Réponses : 20 sept. 2024
1 - Mety sa tsy mety ny fanaovana jeu de hasard am piangonana ? Resaka tombola ilay izy hanohanana vokatra 2 - Kristiana ny tenako ary nanana havana akaiky maty miisa telo tao anatin'ny 20 volana. Ny fanontaniako dia izao : Famindram-pon'A/tra ny tombon'andro sy ny fahasalamana azontsika isan'andro. Ka rehefa ilay mifoha maraina, marary dia maty avy eo ve dia midika fa tapitra @ tsika ny famindram pon'A/tra ? 3 - za olona tsy mpivavaka Sady tsy Liana amin'ilay fivavahana saingy nisy vidéo nataonao tato sendra nandalo ny masoko izay nahasarika ahy nahatonga ahy nanaraka ny pejinao . Esoriko izay resaka Jesosy Dia izay mety amiko aloha no raisiko hatreto . Na zany aza Dia manana fanontaniana Kely za hoe raha tena Misy zany Atra zany, raha tena fitiavana tokoa izy, Nahoana no misy olona teraka mahatra, miaina mahatra, Maty mahatra ? Nahoana no asiany n aretina ? Ny fahafatesana ? Ny hiaran'ny tsy rariny ? Angaha tsy azony SAKANANA izany ?
Fri, 20 Sep 2024 - 1h 27min - 170 - [QZ] Questions/Réponses : 26 juillet 2024
1 - Momba ny position an'ny Sola Scriptura vs Candaulisme sy ny tendances rehetra manao libertinage :
Raha misy mpivady, vita soratra, ary mariage religieux; ka mifanaiky tsara ry zareo hoe hiditra @ sehatry ny libertinage (sous toutes ses formes); tsy an-tery, fa tena hoe nifampiresahin-ndry zareo tsara ary nifanaiky fa hanao ireo pratiques ireo.
Inona no position an'ny Sola Scriptura momba an'izany? Fijangajangana ve izany?
2 - Salama Pastera. Remarque-Ko amin’ilay resaka « vola » ao ampiangonana amin’izao: marina fa betsaka lasa manao « business » ny fiangonana, kanefa koa ny kristianina mimenomenona amin’ilay izy koa anefa otran mahagaga ihany ndraindray hoe tsy mi-realiser hoe mila vola koa anie ilay asan’ny fiangonana : ny fitaizana any amin’ny sampana, ny tafika masina, sns … Ohatran’ny lasa à tord et à travers loatra lay fanenjehana fa sao olona tsy miezak miaina ilay fiombonana amin’ny mission an fiangonana koa ireo mpanenjika lava.
Fri, 26 Jul 2024 - 2h 12min - 169 - [CA] DIEU : LE TOUT AUTRE - part 2Fri, 19 Jul 2024 - 1h 06min
- 168 - [CA] DIEU : LE TOUT AUTRE - part 1Fri, 19 Jul 2024 - 1h 02min
- 167 - [CA] MIRACLE SA HASARD SA SYNCHRONICITÉ ?
Ity catéchisme d'adulte ity dia ho famaliana ny fanontaniana napetrak'i Koto Lilahimahitsoambo tamin'ny fitantarany ny zavatra nitranga taminy nilazany hoe : fahagagagana sa kisendrasendra ny nifanenany tamina fianakaviana iray izay nanampy azy tamin'ny fotoana namparary ny zanany. Nanontany moa izy tamin'izay fotoana izay hoe :
Fifandrifian-javatra ve ny nifanenany tamin'ireo olona ireo sa miracle ?Araka izany :
Inona na Iza no ao ambadiky ny SYNCHRONICITÉ amin'ny toe-javatra toy izany ?Thu, 04 Jul 2024 - 1h 35min - 166 - [HP] NY FIVAVAHANA ETO MADAGASIKARA : NATAON'NY MPANAO POLITIKA ANESTHÉSIE HO AN'NY VAHOAKA MALAGASY HAHATONGA AZY IREO HO VOAN'NY AMNÉSIE.
Rehefa be loatra ny ANESTHÉSIE atao amin'ny olona marary iray dia lasa voan'ny AMNÉSIE izy ka manjary misy perte de mémoire. Toy izany tsy misy valaka no anaovana ny vahoaka Malagasy, totofana ANESTHÉSIE, tampenana sparadrap ilay fery na feno nana aza. Mahavariana fa na dia mijaly sy fadiranovana toy ny inona aza ny Malagasy dia mora avily ny sainy ka lasa sahirana sy mitsinjo ireo izay efa be hatoka indray (le monde en l'envers).
Ary ny mampalahelo dia ny FIVAVAHANA no nampesain'ny mpanao politika amin'izany.
Fri, 28 Jun 2024 - 1h 13min - 165 - [CA] NY FAHORIAN'NY SASANY FIFALIAN'NY SASANY
Masiaka sy ratsy fanahy ny olombelona.
Raha misy olona manana fahoriana na misedra zava tsarotra eo amin'ny fiainany dia misy olona mikaroka sy misikotra ny anton'iny toy ny misikotra parasy ka tsy amelany raha tsy ahitany irika hahafahany mitsingoloka amin'izany mba hanalany ny stress sy frustration sy ny ngidin'ny afero amin'ny fiainany.
Anisan'izany isika Malagasy hany ka tsy mahay manaja ny fisaonan'ny olona intsony fa sanatria toy ny VAUTOUR, zara aza misy faty hitangoronana hanaovana resaka hanampiana ny fahorian'ilay olona sy handetehana azy.
Ohatra amin'izany izao ilay fahafatesan'ny vadin'ilay Pasteur malaza iray Marcello iny izay ahitana taratra ny tena toetran'ny kristiana.
Fri, 21 Jun 2024 - 1h 14min - 164 - [HP] KRISTIANA AHO VAO MALAGASY sa MALAGASY AHO VAO KRISTIANA ?
Hifandroritana be izany amin'izao vanimpotoana izao eo amin'ireo « EXTRÉMISTES » kristiana sy ireo « TRADITIONALISTES ». Noho izany dia ho resahintsika ato ireto :
Ny fiheverana momba an'i Andriamanitra (Malagasy sy ny kristiana) ; Ny razambe sy ny finoana ; ary Ny fanjanahantany sy ny fivavahana kristiana.Ny fomba hitondrana ny laha-dinika dia « phénoménologie » manoloana ny « croyances ».
Sary nindramina :https://dacb.org/stories/madagascar/nenilava/
Fri, 07 Jun 2024 - 1h 58min - 163 - [CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... - Part 3Compatible amin'ny Soratra Masina ve sa revin-gadra ?
(sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com)
Fri, 10 May 2024 - 45min - 162 - [CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... Part 2Compatible amin'ny Soratra Masina ve sa revin-gadra ?
(sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com)
Fri, 10 May 2024 - 1h 03min - 161 - [CA] Monde SURNATUREL, monde parallèle, Multivers ? Théorie de l'évolution, extraterrestres ... Part 1Compatible amin'ny Soratra Masina ve sa revin-gadra ?
(sary nindramina : turbotex on Wallpapers.com)
Fri, 10 May 2024 - 1h 00min - 160 - [CA] MAMELA HELOKA !!!! ADY SAROTRA SAINGY MANAFAKA SY MANASITRANAFri, 31 May 2024 - 1h 20min
- 159 - [HP] SAVOIR VIVRE – VIVRE ENSEMBLE – TÉMOIGNAGE - AUTHENTICITÉFri, 24 May 2024 - 1h 42min
- 158 - [HP] RAY AMAN-DRENY "TOXIQUES" (PARENTS TOXIQUES)
"Manajà ny rainao sy ny reninao mba hahita soa ianao"
Betsaka isika Ray aman-dreny no manararaotra io didy fahefatra io hi-exploité ka tonga hatramin'ny filazana fa SOLOTENAN' ANDRIAMANITRA eto an-tany ny Raiamandreny.
Tsy tsapan'ny maro anefa fa lasa manimba sy mamotika mihitsy aza ny fiainan'ny zanatsika izany.
Fri, 03 May 2024 - 1h 50min - 157 - [CA] ETIKA KRISTIANA EEE, NORME ARAHINA EEEE, FAHAMASIANANA EEEE, AVY AIZA MARINA IZANY ? IZA NO NAMETRAKA AZY ?
Heno foana eo ambavan'ny " mpivavaka " ny hoe : TSY MENDRIKA NY TOY IZAO SY TOY IZAO AMIN'NY MAHA KRISTIANA ( fitafy, fiteny sns .. ). Dia samy mitompo teny fatratra, manao affirmation gratuite, mitanisa verset Dia tovonana anganombaviantitra sy lovan-tsofina mba hampatavy ny resaka. Andao resahana hoe : avy aiza ny source ? Inona no tanjona ?
Fri, 26 Apr 2024 - 2h 04min - 156 - [HP] BIENFAITEUR ou DISEUR DE BONAVANTURE
Tsy hita intsony izay ilazana ny zava misy eto Madagascar. Tena on trouve plus les mots fa izay tsy hita eto no manenina. Tellement c'est plus énorme que ce qu'on peut tout imaginer ... Sady mahavariana, mampalahelo, mampite hitomany, mahatezitra sns ...
Eo amin'ny fiaraha monina dia misy ny olona miseho manao soa, hay tena zava doza ny fikendreny.
Amin'ny politika mody miseho anilan'ny vahoaka nefa tetidratsy maloto sy manipulation no ao ambadika.
Aza adino Rey olona fa ny dévoly tsy miseho amin'ny tandrony zany fa derrière son apparence joviale Ary izay indrindra no maha diabolique ilay izy . Tsy hoe mampatahotra fa mahasoandriana sy maharevo, mampatory mihitsy aza ka tsy mahagaga raha roboka sy rendrika ampitsanganana avokoa ny ankamaroan'ny olona.
Thu, 09 Nov 2023 - 50min - 155 - MISY LOKO HITA MASO AZO TSAPAIN-TANANA TOY NY LOKON-DAMBA (CODE COULEUR) VE NY FANAHY ?
A- Ny RAD Toby lehibe 4 HONO no NANDRARA ny fisalorana ny lamba (FITAFY) MAINTY SY MENA satria hono sensible amin'ny fanahy ratsy (Ao amin'ny boky manga hono ny fanazavana izany).
B- Ny loko MAINTY SY MENA (fitafy) hono dia LOKON'NY DEVOLY sy tena mahasarika dévoly.
C- Akanjo mainty hono andramana anaovana rehefa manala devoly raha hisy devoly hivoaka. Akanjo mainty be sy mena midorehitra be entina manala devoly amin'ny marary any amin'ny Toby ahitanao ny vokany.
Ndao resahana sy idirana lalina ny mahakasika izany rehetra zany ka ny hitondrana fampianarana dia ny hoe :
1- Tena niteny izany tokoa ve ireo Raiamandrenim-pifohazana sa apetraka eo ambavan'i Mosesy toy mahazatra ?
2- Ahoana tokoa moa zany no tantaran'ny robe liturgique sy toge ? Symbolisme avy aiza no entiny ?
3- Fa inona izany no tena hatahoran'ny devoly ka hialany amin'ny olona iray ?
Wed, 17 Apr 2024 - 1h 56min - 154 - [CA] MPANAO ASA SOA HONO ! TSIA - MANAO ASA TSARA KA !
Ny rehetra no afaka manao asa soa fa tsy ny rehetra no afaka manao ASA TSARA.
Mpanao asa soa dia :
> tratry ny aretin'ny Syndrome des sauveurs sy ny
> hoe "ceux qui paient dominent".
> Se racheter une conscience et blanchiment des mœurs.
[source]
Sun, 14 Apr 2024 - 1h 31min - 153 - [HP] ASSURANCE DE SALUT (FAHAZOANA ANTOKA HO AMIN'NY FAMONJENA)
Rakoto dia olona efa ao amin' i Jesosy saingy indray andro izy tojo olana goavana tena tsy zakan'ny sainy ... et il a craqué.. nisotro toaka izy ... Niteny ratsy nirediredy ... Mamo tampona nefa mbola nitondra fiara koa .. Teny andalana izy nahita SIPA manjakely Dia nanaramaso Kanjo nisy fiara nifanena tampoka tsy tazany akory dia Nanao accident izy Ary Maty sur le coup .
👉 Ny fanontaniana mipetraka Dia hoe : DIRECT AFOBE VE IZY ? SA METY HAHAZO TOERANA EO ANILAN'I JESOSY IHANY ?
Rasoa kosa tsy ao amin 'i Jesosy saingy mivavaka isaky ny alahady izy, manao asa soa manampy ny hafa na ao ampiangonana na eo amin'ny fiaraha monina. Maontina fiteny sy fihetsika ary tsy mba re hoe nanana olana teo amin'ny tany amamonina. Rehefa miresaka dia atao ohatra mahafinaritra falain'tahaka hatrany izy amin'izay ataony sy alehany. Manana fitondrantena maontina izy.
Indray andro narary izy tao ampiangonana, tapaka lalandra ary maty tampoka teo ampanatanterahina ny asan' Andriamanitra.
👉 HAHAZO TOERANA EO ANILAN'I JESOSY VE IZY ?
Fri, 15 Dec 2023 - 2h 09min - 152 - [HP] BÉNÉDICTION MARITALE DES HOMOSEXUELS - part 2/2Wed, 20 Dec 2023 - 55min
- 151 - [HP] BÉNÉDICTION MARITALE DES HOMOSEXUELS - part 1/2Wed, 20 Dec 2023 - 59min
- 150 - [HP] MADAGASCAR TSY MIPETRAKA AMIN'NY TOERANY INTSONY FA NATAO SESITANY (MADAGASCAR EN EXILE)
Ny mahazatra antsika hatramin'izay dia exilé politique fa eto dia ny firenena mihitsy no lasa SESITANY. Mampahatsiaro ny toe-java-misy tao amin'ny Soratra Masina RAVA NY MANDA , POTIKA NY TEMPOLY , NATAO SESITANY IREO MANAMPAHAIZANA , NIHANAKA IZAY TSY IZY NY KOLIKOLY, TSY MIFANKAHAZO NY SAMY JIOSY (ny valahara mpiandry fasana sy ireo any ampielezana) , sns ... Mitady " LEADERS CHARISMATIQUES " satria tsy misy raisina intsony ireo " LEADERS POLITIQUES CLASSIQUES ". Fanontaniana : AVY AIZA SY AVY AMIN'IZA NY METY HO FANARENANA AN'I MADAGASCAR ?
Fri, 24 Nov 2023 - 1h 21min - 149 - [HP] GUERRE DE COMMUNICATION ET INTERNET À DEUX VITESSES
👉 Inona no ao ambadika ? Inona no tanjona ? 👉 VAHAOLANA tokoa sa famonoana afo tsy hisian'ny OLANA ho an'antokon'olona vitsivitsy ?! 👉 Opérateur économique vé sa opérateur politique nareo ry telma sy orange ary airtel ? 👉 Nahoana no atao sesitany eto amin'ny taniny sy hatokamonina ny Malagasy ? Mba hahafahana manandevo azy sy hanaovana azy ireo toy ny ampondra ka hanaiky izay rehetra atao aminy ? Tandremo aza sao may ny afo hatsangana ka hitetika arivo maty iray alina eeeeee. Hum ...
Sun, 31 Mar 2024 - 1h 25min - 148 - NY FAHANGINAN'I JESOSY MANOLOANA NY TABATABAN'NY MPAMPAHORY AZY.Thu, 28 Mar 2024 - 24min
- 147 - [CA] EGLISIOLATRIE ? Inona koa zany ?Sun, 24 Mar 2024 - 1h 07min
- 146 - [HP] RENOUVELLEMENT DE LA CLASSE POLITIQUE A MADAGASCARFri, 01 Mar 2024 - 1h 24min
- 145 - [HP] LES LARMES DU PEUPLE MALAGASY À ANOSY
TRIBUNAL MALAGASY = SAHAN-DRANOMASO LAPAN'NY FITSARANA HOE ? TENA LAPA TOKOA, MILA MIANKOHOKA SY MANDOHALIKA VAO MAHAZO IZAY ILAINA RAHA HAHAZO AZA ... Voa miteny hoe : tribonaly Malagasy dia mihivingivina ny ankamaron'ny olona manana raharaha eny amin'ny fitsarana indrindra ireo vahoaka madinika tsy mandady harona . VERY NA TAKOMANA NY MARINA
Fri, 02 Feb 2024 - 1h 42min - 144 - [CA] PERVERS NARCISSIQUE - 2è partieOlona misy dévoly vé sa Marary saina ny olona PN ? Inona no tokony atao amin'izy ireny ? Avoaka dévoly ? Sa andosirana ? Raha sendra azy ianao , inona no tokony ataonao ?
Plan :
00:02:01 comprendre la personne, ce qu'elle vit
00:10:16 problème structurel et non comportemental
00:19:50 pas de solution préfabriquée; accompagnement; échecs
00:23:43 se sent comme de la m**de, vermine; orgueil comme cache-misère
00:26:00 Jehovah mpandinika ny fo sy mpamantatra ny voa (Jer. 17, 9-10a)
00:28:40 Atolory Ahy ny fonao
00:30:41 Salamo 139, 2-6
00:36:19 mila mitandrina sy miaro tena
00:38:47 confronter, constat personnel, travail de mirroir
00:42:20 démolir son auto-idôlaterie et son orgueil
00:48:47 ny vavaka atao ho an'ireny olona ireny
00:52:10 changement de vision, de paradigme = asan'A/tra
00:53:32 iza no olona hitia ahy amin'izao faharatsiako izao?
00:54:22 Jesosy irery ihany no mitita olona tsy azo tiavina intsony
00:58:46 olana fototra: orgueil alimenté par la vanité
01:02:07 fehin'izay voalaza rehetra izay
Source: https://www.facebook.com/epubnamur/videos/259099467170742
Sun, 17 Mar 2024 - 1h 07min - 143 - [CA] PERVERS NARCISSIQUE - 1ère partieOlona misy devoly ve sa Marary saina ny olona PN ? Inona no tokony atao amin'izy ireny ? Avoaka devoly ? Sa andosirana ? Raha sendra azy ianao, inona no tokony ataonao ?
Plan :
00:00:00 tari-dresaka
00:02:18 fahanana ny ondrin'Andriamanitra
00:07:46 trouble de personnalité
00:12:39 angle théologique de l'enjeu : combat spirituel
00:16:49 avy aiza ny teny hoe "narcissisme"
00:23:23 définition psychologique
00:24:35 fonctionnement d'un PN
00:27:12 l'être humain en devenir
00:31:20 low self-esteem
00:34:04 victime
00:41:21 raisonnement : il faut détruire la victime
00:42:16 fehiny
00:45:01 fiangaviana: zarao au maximum
00:46:14 inversion de personnalité avec sa victime
00:49:51 dimension spirituelle = miditra ny asan'Andriamanitra
Source: https://www.facebook.com/epubnamur/videos/259099467170742
Sun, 17 Mar 2024 - 50min - 142 - POSITION AN'I RJL MANOLOANA NY LOI CASTRATION CHIMIQUE ARY NY PHÉNOMÈNE DE VIOL ETO MADAGASCAR
Nirongatra izay tsy izy ny FANOLANANA tato ho ato ary ny mampalahelo dia zazakely avokoa ny ankamaroan'ireo voaholana ary amin'ny fomba feno habibiana mihitsy izay mampieritreritra hoe inona no ao ambadika ankoatry ny filan'ny nofo ?
Matetika ny victime sy ny mpanolana dia OLONA SAHIRANA foana no ASEO vahoaka. Donc na ny informations aza dia EFA misy sivana mialoha sahady nefa iaraha mahalala fa MAHAKASIKA NY OLONA REHETRA ITY RESAKA ITY na " olona manan-katao " na " olona ambony manana ny toerany " na " olo-malaza " na " vahiny " sns... Nefa toa ianiana tsy lazaina sy afenina ary toa tsy mety tratra ? Natao ho an'iza koa Ilay lalàna nivoaka ? Amin'iza no ampiharina dia amin'iza no tsy ampiharina ? Inona no ambadik'ireny ?
Inona no mety ho VAHAOLANA FOTOTRA tsy maintsy resahana mialohan'ny LOI DE CASTRATION manoloana izao Zava-misy izao ?
Sun, 10 Mar 2024 - 1h 25min - 141 - [CA] NY BAIBOLY VE TENIN'ANDRIAMANITRA ?
Après ny resaka nifanaovanay sy Koto Lilahimahitsoambo dia MAROBE NY OLONA TAFITOHANA rehefa niteny Aho fa ny BAIBOLY DIA TSY TENIN'ANDRIAMANITRA. Tery ny fotoana moa ka NORMAL raha misy ny tafitohana saingy ho an'ireo mpanaraka ny page sy ireo TENA MIHAINO TSARA dia mahazo tsara ny Zavatra nolazaina. Efa nanaovako débat tamina mpanompon 'Andriamanitra 2 teto izy ity saingy averiko indray fa amin'ity kosa dia ho hazavaina amin'ny ANTSIPIRIHINY mihitsy.
Sun, 28 Jan 2024 - 2h 12min - 140 - [HP] TSY MILA ANAO HO AVOCAT-NY (MPISOLO VAVANY) ANDRIAMANITRA
Mafampana ny ady hevitra aram-pinoana tato ho ato teto amin ' ny facebook, ary mifanasa vangy mihitsy aza ka samy miezaka mafy handesohana ny finoan'ny hafa, satria izay no heveriny andresena lahatra ny olona hanaraka an'Andriamanitra araka ny fiheverany sy ny famaritany. MANANA DROIT TSY HINO AN' ANDRIAMANITRA NY OLONA.
Sun, 21 Jan 2024 - 1h 26min - 139 - [CA] HÉDONISTE ?
Tsy afaka misitraka sy mankafia fiainana ve izany ny MPINO sa kilasiana ho HÉDONISME izany ? Araka ny hoe : SAINO NY ZAVATRA ANY AMBONY Dia midika ve izany hoe ADINOY NY FIAINANA ETO AN'-TANY ? Ny mandalo sy miserana ve midika fa tsy misy ilàna azy ?
PS : Ho an 'izay olona mora madilo sofina sy mora tohina dia hiangaviana sahady tsy hanaraka mba tsy haha tafitohina anao (Puritains sensibles à conseiller de s'abstenir).
Sun, 11 Feb 2024 - 1h 14min - 138 - [CA] MIFINDRA AMIN'NY ALALAN'NY FANAMBADIANA VE NY FINOAN'NY OLONA IRAY ?
Nisy question réponse nataonay teto amin'ny page RJL ary nisy mpanaraka ny pejy nametraka fanontaniana :
"za kristiana, n olontiako silamo . tena.mifankatia zahay nefa n RADniko ts manaik , n any aminy tsy mis olana . IZY nefa manaik n ijanonako ho kristiana f tsy voatery ifindr silamo anaraka azy za... mikas hivady zahay nef problem B n am RAD .. ahoana pasteur n FAHitanao azy ?"
Maro no nanao commentaires tamin'izany niakatra sy sorena ary tezitra. Noho izany Dia nanapa-kevitra izahay fa raisina thème manokana mihitsy ity lohahevitra ity... Tsy ny Silamo ihany no raisiko fa na SILAMO , NA ATHÉE, NA MPANDALA FOMBAN-DRAZANA , NA INONA NA INONA FINOANY.
Sun, 25 Feb 2024 - 1h 32min - 137 - [CA] DÉMONOLOGIEWed, 16 Aug 2023 - 1h 18min
- 136 - [HP] ENJEU ÉLECTORAL 2023, GUERRE DE COMMUNICATION NEFA KOA PIRATAGE INFORMATIQUE
GUERRE DE COMMUNICATION : samy fanaon'ireo ankolafy samihafa ny manarama ekipa manokana hamafy marina na tsy marina amin'ny tambazotra. Manampy trotraka ny fitongilanan'ireo haino amanjery ofisialy ka dia izay hita ao amin'ny fesiboky no avy hatrany dia raisin'ny olona. PIRATAGE INFORMATIQUE : cinéma sa tsia ? Tsy any ny olana fa fomba fiady daholo izany Kanefa na izany na tsy izany dia tafiditra tanteraka isika ao anatin'ny rivodozan'ny révolution numérique koa dia samia mandray ny andraikiny.
Fri, 11 Aug 2023 - 1h 36min - 135 - [HP] FIFIDIANANA 2023 ??? TSIAAAAAAA. FANOVÀNA NY RAFITRA ALOHA ??? ENYYYYYY.
MIOMBON-KEVITRA tanteraka amin'i Andriamatoa Laza RAZAFIARISON ny tenako RJL ny amin'ny Mila hanovàna ny Rafitra aloha Vao miroso amin'ny FIFIDIANANA satria raha terena ho atao io Dia toy ny takompery ihany ... Ny nana misy ny aretina mbola ao ihany fa ny ivelany no mody hoe sitrana SAINGY ny fanontaniana mipetraka dia Iza no hametraka izany fanovana Rafitra izany Ary amin'ny fomba manao ahoana ????
Fri, 28 Jul 2023 - 1h 06min - 134 - [CA] NY HEVITRY NY FAHAGAGANA AO AMIN'NY SORATRA MASINA ? (LE SENS DES MIRACLES)
Dradradradraina etsy sy eroa ny hoe aty aminay hisy fahagagana miezinezina, hisy fanaovana fahagagana 3 andro misesy fa tongava, hanao fahagagana ho anao ny Tompo fa vonjivonjeo sns ... Mahavariana sy mampalahelo ary mampatahotra ny mahita ireny etsy sy eroa. Ny olona rahateo sady sahirana no very hevitra manoloana ny fiainana sy ny zavatra atrehina ka mitady fahagagana sisa no azo atao.
Wed, 26 Jul 2023 - 1h 20min - 133 - [HP] NY FANABEAZANA NO TANIMBOANJON'NY MPANAO POLITIKA
HAMPIANARINA HO LASA INONA NA ATAO INONA NY ZANAKA MALAGASY ?
Rehefa mpanao politika dia samy midradradradra avokoa fa NY TANORA NO HO AVIN'NY FIRENENA. Kanefa Dia iaraha-mahita fa POTEHINA TSY HANANANA ANTRA ny zanaka Malagasy ary TOMPON'ANTOKA amin'izany ny mpanao politika REHETRA TSY ANKANAVAKA.
Tandremo ry Ray amandreny sy vahoaka Malagasy fa ireny FIHETSEHAM-PONTSIKA omaly nanoloana ny zava niseho ireny no tazanin'ireo mpanao politika sy ireo mpirotsaka rehetra ho varavarana misokatra hidirany handrafetany sy handaminany indray izay hahafany hampanantena volana sy kintana ho antsika. Mila fahamailona mandrakariva ka aza ny fietseham ponao no hanakinanao ny ho avin'ny taranaka rahampitso. MANDINIA TSARA, SOKAFY NY MASO, SOKAFY NY SAINA, AMPIRIMO NY FIHETSEHAM-PO... fa aza mihinana ambolony sy mandrapaka avy hatrany izay lazaina sy aroso ho anao.
Fri, 21 Jul 2023 - 1h 28min - 132 - [CA] FIAINAM-PANAHY MANDEHA TSY VOIZIN'NY TEOLOJIA NO LOHARANON'NY '' FANATISME '' (SPIRITUALITÉ ET THÉOLOGIE)
Fahavoazan'ireo fiangonana lazaina fa mifoha ny tsy misy fototra ara-teolojia fa hafanam-po fotsiny ihany ka hatahorana hivaona.
Etsy andaniny anefa, ireo fiangonana sarotiny amin'ny fampianarana madio tsy misy kilema izay tsy misy aim-panahy dia lasa tsy mahasarika ny olona hanaraka izany ka tsy mahagaga raha misafidy izay marevaka sy manaitaitra azy FOTSINY IHANY ny ankamaroan'ny olona.
Wed, 19 Jul 2023 - 1h 32min - 131 - [HP] HATRAIZA NY '' LIBERTÉ D'EXPRESSION '' AMIN'NY FAHITALAVITRA ?Fri, 14 Jul 2023 - 1h 08min
- 130 - [CA] LA SOBRIÉTÉ MAMPALAZA NY PROTESTANTSWed, 12 Jul 2023 - 1h 23min
- 129 - [HP] PARTI POLITIQUE SANS LIGNE POLITIQUE
Ny eto @ tanàna dia izay malaza sy mahoraka no mamaritra ny tendance na ny rivotra mitsoka. Hijanona ho nofy mandrakariva ny faniriana mba hahita indray andro any hoe inona marina no LIGNE POLITIQUE pragmatique azo raisina?
Fa ny antsika dia tsotra ny fond de commerce ho @ fifidianana dia na vola mazava ho azy na koa tsy fahombiazan'izay nitondra teo aloha. Hany ka ny ahiana dia ho lany PAR DEFAUT izay ho avy eo satria raha hisafidy entre la peste et le cholera dia tsy misy safidy malalaka. Fahasorenana amin'ny olona hafa fotsiny ihany no hisafidianana olona iray hafa.
Fri, 30 Jun 2023 - 1h 04min - 128 - [CA] MPANARAKA AN'I KRISTY HOE ?Wed, 28 Jun 2023 - 1h 22min
- 127 - [CA] IREO PARADOXES AO AMIN'ANDRIAMANITRA
- Jakoba tiako fa Esao halako hoy Izy .... Nefa lazaina fa Tia ny olona rehetra Izy
- Tsy sitrany ny hahafatesan'ny ratsy fanahy nefa voalaza koa fa matahora izay manam-pahefana manary any amin'ny helo
- Voasoratra ao amin'ny teny folo ( didy folo ) ny hoe : aza mamono olona nefa Izy nandringana an'i Sodoma sy Gomoro
- sns ...
👉 Miangatra Ary ve zany Andriamanitra ? 👉 Ary tena fitiavana tokoa ve Izy ? 👉 Koa tsy manana ny rariny ve raha zany ireo olona misafidy TSY HINO AZY raha zany no jerena ?
Wed, 21 Jun 2023 - 1h 35min - 126 - [CA] AIZA HO AIZA NY FIPETRAKY NY MAHA OLONA (CÔTÉ HUMAIN FA TSY ARA-NOFO AKORY) ?Wed, 14 Jun 2023 - 1h 18min
- 125 - [HP] JUDO, KARATÉ, KUNG FU... VS INSÉCURITÉ, IMPUNITÉ : TSY AZOKO INTSONY... FA AHOANA ?
Maromaro ny karazana Hay ady misy eto Madagascar Ary manana olobe mahay an'izany isika . Samy milaza azy ho dadany avokoa.
Hatreto anefa Dia toa malaza tsy hihinanana ohatry ny vilian-tsahona izany fa arakaraky ny hananana izany no vao maika mampirongatra ny tsy fahandriam-pahalemana. Vono atsy, vono olona aroa. Voavely bois rond atsy , votsindrona antsy aroa , voadahalo atsy voaendaka aroa sns ... Ny fiparitahan'ny basy izay natokana ho an'ny mpitandro filaminana manampy trotraka fa manana avokoa na bodo na Adala .
Na eny andalana , Na anaty bus na mijanona ao antrano Dia fitaintainana lava no hiainana satria dia na mandeha na mijanona Dia manaloka foana RAFAHAFATESANA .
Tsy misy henatra sy tahotra intsony fa andro atoandro be nanahary Dia efa manao ny asa ratsiny ny mpanao ratsy . Tsy mifidy na Zaza amim-behivavy , na antitra na tanora Ary ny tena Loza aza Dia misy lasa fahafinaretan'ny sasany fotsiny ny manapitra ain'olona .
Aiza ny tompon'Andraikitra ? Sao de tokony avadika PLAN D'ACTION ny KATA sy ny FAMPISEHOANA HOZATRA ary NY ANARANDRAY MALAZA NOLOVAINA TAMIN'NY KUNG FU fa tsy hajanona ho fampiratiana sy fifampiderena fahaizana fotsiny ? Hilalao ve isika sa hiasa eeee ?
Tsy fahafinaretan'ny maso hijery ny fahaizanareo no ilaina fa filaminantsainan'ny Malagasy . SAO MBA DISO CIBLE ?
Fri, 09 Jun 2023 - 46min - 124 - [CA] CONVERTI HOE E?
Manana an'i Jesosy HONO ... Fandre matetika ny hoe '' manana an'i Jesosy aho '' , '' nandray an'i Jesosy aho '' sns ...
CONSACRÉ sa CON - SACRÉ ?
Ahoana no hevitr'izany ?
Ny fanoloran-tena ve no fepetra maha OLOMBAOVAO sa ny maha OLOMBAOVAO no mitarika ho amin'ny fanoloran-tena ?
Eto no misaraka ny lalantsika SAMY PROTESTANTA... ka aiza no misy anao ?
Wed, 07 Jun 2023 - 1h 16min - 123 - [CA] NY MAHAKASIKA NY FIJOROANA VAVOLOMBELONA
Maro be ireo olona mijoro VAVOLOMBELONA ny amin'izay '' naseho '' na '' nataon' Andriamanitra '' azy ireny HONO... Samy milaza izay fisehony (nofy, Fahitana, fahatoranana, sns.), samy manana ny fomba fitantarany (nahita afobe, nahita anjely, nahita paradisa, nahita an'i Jesosy, sns.)
Ahoana no hanavahana azy ireny ?
Ahoana no hahaizana mizaha toetra ny Fanahy ?
Wed, 31 May 2023 - 1h 06min - 122 - [HP] THÈME : RAHOVIANA NA REHEFA MANAO AHOANA VAO TOKONY HANAMBADY ? IZA SY IZA IHANY NO MAHAZO MIFANAMBADY ?
Maro bé ny olona mangataka fampianarana sy fanazavana mahakasika io Lohateny Io Ary mametraka karazana fanontaniana mahakasika azy io toy ny hoe :
👉 Firy taona no sahaza manambady na Vao afaka manambady ? Matetika mantsy heno foana ilay hoe efa tokony hanambady , tara loatra na lasa aloha loatra sns ...
👉 Afaka mivady ve ny olondroa tena mifankatia nefa samy hafa finoana mihitsy ? Tsy samihafa dénomination fa samihafa finoana ( kristianina , athées, silamo , traditionalistes, bouddhiste sns ... )
👉 Maninona no vehivavy madio foana no lazaina fa mendrika Alaina vady ? Ahoana izany ireny nisy nanolana ireny ? Ireny mère célibataire ireny ? Ireny Maty vady reny ? Tsy mendrika vadiana intsony vé izany izy ireny ?
👉 Maninona no vehivavy foana no terena hanao virijiny Vao hoe mendrika Alaina vady izany fa nahoana ny lehilahy no tsy mba afaka mitahiry ny tenany ho virijiny fa mandravarava zanak'olona nefa tsy mba asiana Resaka toy ny vehivavy ? Sa ve rehefa vehivavy Dia Fahotana fa rehefa lehilahy Dia Mariky ny hery ?
👉 Maninona no tsy ankasitrahan' ny olona matetika hoe zandrin' vehivavy ny lehilahy ? Manandanja be ve ny elanelan-taona eo amin'ny mpivady ?
👉 Maninona no tsy maintsy hoe samy kristianina foana no tsy maintsy mifanambady rehefa kristianina ny Ray amandreny ? Misy aza raha vao tsy kristianina ao aminy ihany no mifanambady Dia voaroaka tsy ho mpivavaka ao intsony fa nahoana ?
Fri, 19 May 2023 - 2h 00min - 121 - [CA] NY FAHAFOIZANA HO AMIN'NY ASAN' ANDRIAMANITRA
CATÉCHISME D'ADULTE 17 mai 2023
Possible vé hoe misokatra ny poketra fa mihidy ny fo ? Na misokatra ny fo fa mihidy ny poketra ? Ny vola ve mitaky asa sa ny asa no mitaky vola ? Sujet tabou izy ity saingy tsy maintsy ho resahana satria io Resaka vola io dia sady saropady no manahirana ao anatin' ny fiangonana na fikambanana kristianina na amin'ny asan' Andriamanitra .
Wed, 17 May 2023 - 1h 24min - 120 - [HP] ADDICTION ET ILLUSION PORNOGRAPHIQUE
HONO HOY AHO PASTEUR? (12 mai 2023) Marobe ireo karazana addiction mahazo ny olombelona ary anisany ny addiction amin'ny fijerena porno. Marobe ireo message azo mendrika fitarainana, fanontaniana, fangatahana vahaolana sns... azo taminareo mpanaraka ny pejy mahakasika azy io.
Toy izao no sombiny amin'ireo karazam-panontaniana nalefanareo :
Mahazo mijery film porno ve ny mpivady ?
Fahotana ve ny fijerena porno raha tsy mbola manambady ?
Fahotana ve ny mamerina Zavatra hita amin'ny porno amin'ny olontiana na vady ?
Maninona no voasarika manao ''masturbation '' raha vao mijery porno ? sns.Fri, 12 May 2023 - 1h 21min - 119 - [CA] VOCATION, MINISTÈRE , ANTSOWed, 10 May 2023 - 1h 42min
- 118 - [HP] FAMONOAN-TENA EO AMIN'NY TANORA ( SUICIDE DES ADOS ET DES PRE-ADOS )Fri, 21 Apr 2023 - 1h 36min
- 117 - [CA] Mety hilaozan'ny Fanahy Masina ve ny mpino iray ?Wed, 26 Apr 2023 - 1h 05min
- 116 - FANOLORANA TENY FISAORANA
- Fisaorana An'ANDRIAMANITRA nohon'ny faha 19 taonan'ny ORDINASIONA
-Fisaorana ireo Ray amandreny REHETRA nampianatra , nitaiza sy namolavola
- Fisaorana ny mpanaraka ny pejy sy Vondrona tamin'ny teny mamy firariantsoa sy fiarahabana Ary fampaherezana
- Fisaorana ireo mpiara miasa rehetra manantateraka ny asa fanompoana ( RJL ,RJL VOANTSINAMPY, COMMUNAUTÉ)
- Fisaorana ilay olona iray ao andamosiko MPANOHANA AHY VOALOHANY amin'izao asa fanompoana izao , RAMANANTOMBOTSOA Hanitra ( vadiko , namako , mpiara-manompo amiko , confidente-ko , secrétaire-ko , .... )
Mankasitraka anareo tompoko . Ny TOMPO hitahy sy hambomba anareo hatrany amin'izay atao rehetra . Misaotra tompoko.
Tue, 27 Sep 2022 - 52min - 115 - PLATEFORME CITOYENNEFri, 29 Apr 2022 - 32min
- 114 - MADAGASCAR DIA SANATRIA HO FIRENENA PARADISAN'NY JIOLAHY VE? UN PAYS INGOUVERNABLE?Fri, 22 Apr 2022 - 19min
- 113 - ANTSO HO AVO HO AN'NY SOCIETES CIVILES SY ONG
Ilain'ny firenena ny handraisan'ny Sociétés civiles ny tena toerany eo @ firenena maha CONTRE POUVOIR azy. Tsy manana mandat arovana izy ireo fa misehatra eny ifotony ary mahalala tsara ny tena zava misy. Ny mpitondra dia voafetra ihany ary azo lazaina mihitsy aza hoe "Deconnectés" @ zava misy marina.
Mampalahelo anefa fa maivan danja ny Sociéts civiles eto amintsika noho izy ireo mandeha misingatsingana ary tsy tena resy lahatra @ lay iraka ananany.
Fri, 08 Apr 2022 - 23min - 112 - MADAGASCAR NAMPAHANTRAINA HO AN'IZA?
Nalentika ao @ ahitsiarintsika malagasy fa MAHANTRA hono isika ka tsy hotafarina mihitsy raha tsy milampy @ ireo firenena tandrefana.
Ny tena marina dia hiniana alentika ao antsaintsika zany fa ny tena misy dia NAMPAHANTRAINA mba ho lasa loharanon karenan'ireo firenen dehibe sy ireo zay mpiray tsikombakomba aminy eo @ fitondrana mifandimby.
Ny fomba nampahantrana antsika dia ny fampibabeba TROSA MIHOAM PAMPANA izay fantatry ny mpanome fa tsy ho voaloha mihitsy tsy noho ny tsy fananana akory fa noho lay rafitra niniana natao hangejana ny ekonomiatsika sy ireo olona napetrany eo.
Koa dia averina etoana fa tsy misy lalana hafa ankoatran'ny SOUVERAINSME ECONOMIQUE no afahana mizotra ho @ SOUVERAINISME POLITIQUE.
NDAO VOHIZINA MANOMBIKA IZAO IZANY SOUVERAINSIME ECONOMIQUE izany!!
Fri, 01 Apr 2022 - 23min - 111 - PROFIL PRESIDENTIEL TANDRIFY
TSETSATSETSA TSY ARITRA 25 Martsa 2022 :
Miha mafapana ny toe-draharaha politika eto @ firenena. Mietsiketsika izay tsy izy avokoa ireo andrarezina ara politika any ambadibadika any.
Hitazana fotsiny ve isika vahoaka manoloana an'izany sa isika mihitsy no HANDRAY AN-TANANA ny ho avin'ny firenentsika?
Tolokevitra arosoko eto ny @ fahitako ny "Profil" présidentiel d'URGENCE ilain'ny firenena no ezahiko aroso ato @ ity video ity.
Kendrena @ zany ny hialana @ filalaovan'ny mpanao politika lay toe tsaina hoe "Au pays du moramora" .
Fri, 25 Mar 2022 - 26min - 110 - FIPOAHANA ARA TSOSIALY -- LOZA MITATAO
Nanaitra ahy tokoa ny soratra mivandravandra zaraina sy mandede any @ FACEBOOK any tato ho ato ary mbola mitohy @ zao ny @ resaka antso vonjy n'ny olona manoloana fidangan'ny vidin'ny PPN izay tsy azo iainana intsony.
Marina fa tsy zava baovoa ny fahalafosam piainana fa @ zao indray maka zao kosa dia ahiana hivadika zavatra hafa io raha tsy voavaha haingana.
Koa manao izao video izao aho ho anjara birikiko hofanairana ireo tompon'andraikitra sy isika vahoaka malagasy ihany koa.
Fri, 18 Mar 2022 - 26min - 109 - RAY O ? NAHOANA NO DIA MAHAFOY AHY IANAO ??Fri, 07 Apr 2023 - 34min
- 108 - [HP] MASTURBATION INTELLECTUELLE, BUZZ SY INFLUENCEURThu, 08 Dec 2022 - 53min
- 107 - [HP] PURITANISME SY PIETISME GASYFri, 02 Dec 2022 - 49min
- 106 - LOOK PASTORALY HOE ?
Rehefa nandefa ilay resaka fitafiana Pasteur mivady iny aho dia nametraka fanontaniana hoe :
OHATRY NY AHOANA NO TOKONY HO LOOK PASTORALY???
Maro be ny naneho hevitra ka tsy mahagaga raha mifanohitra samy manana ny fijeriny. Misy ny tafintohina, misy ny tsy maka lagy, misy ny mamoaka verset, misy ny mananatra, misy ny manao ironie, misy ny manao humour, misy ny taitaitra, sns....
Fri, 30 Sep 2022 - 55min - 105 - Dolorisme
Misy aretina ara panahy mpahazo ny maro izay horesahana eto anio, dia tsy hafa izany fa ny atao hoe DOLORISME. Ilay voambolana mety haha vahiny amin’ny maro fa ny zavatra raketiny ny ankabiazantsika dia tafalatsaka amin’izy ity ka izany no nanosika ahy hanoratra mikasika izany.
[Lien vers la publication en question: https://www.facebook.com/epubnamur/posts/620229862767997]
Fri, 23 Sep 2022 - 1h 14min - 104 - Manahirana isika olombelona. L'être humain est compliqué. Qui le connaît?Fri, 16 Sep 2022 - 1h 04min
- 103 - KAPOAKY NY FANEKENA VAOVAO AMIN'NY RAKO - Alakamisy Masina 6 avril 2023Thu, 06 Apr 2023 - 58min
- 102 - NY AO AMBADIKY NY ADY
TSETSATSETSA TSY ARITRA 11 Martsa 2022 :
Miainga avy @ fandinihana ny ady misy eo @ UKRAINE sy RUSSIE ary ny ady nisy rehetra hatrizay no hiaingan'ny fifampizarana etoana.
Ny tena ADY dia tsy ny daroka baomba sy fifanafihana ara pitaovam-piadiana io.
Ao anatin'ny ady tsy maintsy misy FITAKA sy LAINGA afafy afahana manafina ny tena fikendrena ambadika. Ny maro anefa dia variana @ zay zavatra ivelany zany mandrakariva.
Koa izay no hanasana anao hanaraka ity video ity hijery lavidavitra kokoa.
Fri, 11 Mar 2022 - 25min - 101 - FAHATSARAM-PANAHY SANDOKA
TSETSATSETSA TSY ARITRA 04 Martsa 2022 :
Fizarana faharoa tapany faharoa farany, tohin'ilay lohahevitra t@ eriny mahakasika ny MANIPULATION ihany ity video ity.
Faritana bebe kokoa @ zany ny @ ireo olona toa miseho ho tsara fanahy nefa tsy zany velively fa misy fikendrena ambadika izany. Ny fiaraha monina rahateo koa moa mora ambakaina @ fihetsika ety ivelany dia mora roboka.
Ny fampisehoana ny ambadiki'zany fahatsaram-panahy sandoka izay no tiana avoitra ato.
Fri, 04 Mar 2022 - 16min - 100 - MANIPULATION SY DIABOLISATION
TSETSATSETSA TSY ARITRA 26 Febroary 2022 :
Ny fikirakirana sy famadihana ny "Informations" izay marina ho @ fikendrena maloto dia mamadika izany ho lasa "diabolisation" atao @ olona iray izay heverina fa manana "Potentialite".
Ity video ity miezaka mamaritra ny fikendren'ny "Diabolisation" io.
Manoloana izany dia tsy tokony hitakemotra mihitsy ianao fa tano ny tanjona efa napetrakao eo anoloanao fa azo atao tsara mihitsy miatrika izany. Misy sosokevitra pratika aroso anao @ izany.
Sat, 26 Feb 2022 - 23min - 99 - HAFATRA HO AN'NY AO AN-DAPA
TSETSATSETSA TSY ARITRA 18 FEV 2022 :
Manoloana ny toe-draharaha misy eo anivon'ny firenena dia samy manana ny solomaso hamakiany azy ny tsirairay. Ny mibahana dia ny lafiny ara politika daholo izay rehetra mivoaka.
Koa ny hataoko eto dia fandinihana @ lafiny antropolojika, miezaka mitondra fanazavana ny fisainan'ny olon tsotra; izay raha tsy voajery manokana dia ahiana ho lasa zavatra tsy voafehy.
Koa dia hafatra manokana ho an'ny tompon'andraikitra no hataoko mba hijery indrindra ny lafiny antropolojika ny fiainam-bahoaka, hisoroanareo mialoha ny olana tsy azo an-tsaina.
Fri, 18 Feb 2022 - 34min - 98 - NY ALOKY NY LASA VE MAMETRA NY ANKEHITRINY, na HAMARITRA NY HO AVY?
TSETSATSETSA TSY ARITRA 18 FEV 2022 :
Tsy vitsy ny olona izay lasa voafatotry ny lasany, ka tsy afaka mivelatra sy mandroso noho izany. Ny fiaraha monina rahateo izay, azo lazaina fa ratsy fanahy, dia manao hazakazaka arahin tosika mihitsy koa ho @ izany.
Tsy afaka ny hamafa sy ny hikosoka ny lasa tokoa ny olombelona fa ny azony atao dia ny MAMADIKA zany lasany izany ho lasa HERY na "Force" hoentiny mioitra.
Raha ny vazaha aza nahateny hoe: "On a le droit à l'erreur" na koa ny hoe "On a le droit à une seconde chance dans la vie" dia toa hiteny izany, fa tsy voatery hametra ny ankehitrinintsika mihitsy zany.
Fri, 11 Feb 2022 - 28min - 97 - NY HITA MASO SY NY TSY HITA MASO
TSETSATSETSA TSY ARITRA 04 FEV 2022 :
Hovelarbelarina @ ity video ity ny fisian'ny atao hoe "Monde Parallèle" izay tsy hita maso nefa misy tokoa. Afaka mifandray tsara anefa ny tontolo hita
maso sy ny tontolo tsy hita maso. Ary hita mazava tsara izany raha ny Soratra Masina fotsiny ihany no resahana.
Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony ho an'olombitsy ihany no afaka misitraka izany fa ny rehetra mihitsy araka ny voasoratra ao bokin'i Joela hoe: "Any amparany dia handatsaka ny fanahiko ho @ NOFO REHETRA AHO". Ka voalza fa hisy hahita fahitana, ary misy hanonofy sns...
Ny olona tena miaina izany fa tsy mpisandoka dia tsy naniry izany velively ary maniry ny hanaisorana izany aminy aza fa mavesatra aminy izany. Fa ireo mpisandoka kosa dia ireo tia mitantara etsy sy eroa fa mahita an'izao sy zao.
Fri, 04 Feb 2022 - 26min - 96 - REVIN-GADRA (L'ILLUSION DE LA PERFECTION)
TSETSATSETSA TSY ARITRA 28 JAN 2022 : Mahasarika sy mahasodoka ny maro an'isa ny PERFECTION. Kanefa ny ao ambadiky ny PERFECTION dia sarintsarim-piainana fa tsy tena izy. Oharina @ atao hoe "Prison dorée" izany. Vitsy kosa anefa ny misafidy ny atao hoe "SINCERITE", satria miaina ny tena zava misy marina. Ny mpivoy ny "Perefection" dia manda ny tsy hisian'ny TSY FAHOMBIAZANA mihitsy na ECHEC @ fiainan'ny olona iray. Nefa ny FAHOMBIAZANA na ny "SUCCES" dia efa vokatry ny fitambaran'ny tsy fahombiazana mazo, nafahany manoritra ny lalan-ko aviny.
Fri, 28 Jan 2022 - 26min - 95 - GEJA SY FATORANA (ADDICTION)
TSETSATSETSA TSY ARITRA 22 JAN 2022 :
Ity lohahevitra ity dia lohahevitra nangatahan'ny mparanaka pejy iray.
Horesahana ato ny fanazavana azo omena mahatonga ireny "Addictions" ireny.
Manoloana izany, betsaka no mamitaka ny olona ho @ fanafahana an'izy ireny. Tsy maintsy mila hery ambony ivelan'ny tena vao afaka @ zany fa tsy afaky ny Méditation, na Yoga, sns.....
Tsy az atao koa anefa ny manamora zavatra toy ny hoe vavaka fotsiny dia afaka. Fa mila mandalo ny lalan'ny fahatsapana fa marary tokoa ilay ary mahatsapa fa tsy mahavonjy tena izy.
Sat, 22 Jan 2022 - 24min - 94 - MIOVA NY ZAVATRA REHETRA
TSETSATSETSA TSY ARITRA 14 JAN 2022 :
Samy miara mahita isika fa miazakazaka izay tsy izy ny fiovana misy maneran tany hany ka misy fiantraikany @ lafiny moraly sy etika kao izany. Isika dia tsy tokony hianina fotsiny ihany @ fiainana izay mihatra sy miseho fa antsoina koa hanana ny fahafahana mandinika ny zava misy, mba afahana mandray fanapahan kevitra izay hametrahana ny tongotra.
Fri, 14 Jan 2022 - 27min - 93 - VINA 1/99
TSETSATSETSA TSY ARITRA 07 JAN 2022 :
Ny fahitana ny tombana ankapobeany ny tontolon'ny Fiainam-piangonana misy dia hita mazava tsara fa efa tonga eo @ atao hoe pejy vaovao indray.
Tsy mamaly ny tinady sy ny andrasan'ny TSIRAIRAY ny tolotra misy fa natao ho an'ny MARO AN'ISA. Hany ka lasa misy voahilika any ivelany ilay
singa na iray miavaka.
Koa ny Vina 1/99 izay tiako vohizina mafy @ ity 2022 dia mivoy mafy zao hevi-dehibe izao:
ILAOZANA NY 99 MARINA FA NY IRAY NA ILAY SINGA IVELAN'NY RADARN'NY FIANGONANA no himasoana.
Fri, 07 Jan 2022 - 25min - 92 - NY "SOI" SY NY "MOI"
TSETSATSETSA TSY ARITRA 17 DEC 2021
Ny fampifangaroana ireo zavatra roa ireo dia manimba zavatra maro ao @ fiainan'ny olombelona. Handaniany fotoana maro ny HAMAROTANY ny "MOI" izay marihina fa tsy tena ny fiziany fa toy ny masque.
Ny olon'afaka dia olona tsy voafatotry ny "Image" na ny "MOI" andrasan'ny olona sy ny fiaraha monina aminy intsony fa tena mampisonagina ny fiziany na ny "SOI".
Ny fiaraha monina dia manery anao hisalotra ny idealy izay tsy ilainy akory fa ianao no tereny hovoagejan'izany, ka lasa fonja ankosobolamena ho anao izany (Prison dorée).
Fri, 17 Dec 2021 - 21min - 91 - FINOANA sa INSTITUTION ?
TSETSATSETSA TSY ARITRA 10 Décembre 2021 :
Ny Fiangonana ve ORGANISME sa ORGANISATION ? Ny Organisme (zava manan'aina) fa ny Organisation (dia rafitra sy lamina no betsaka ao).
Moa ve mamaly ny tinadin'ny lafin'ny finoana ny tolotra aroson'ny "Institution religieuse" misy @ zao androtsika izao sa tsia?
Tsikaritra ho misy CRISE DE LANGAGE ny Fiangonana ka lasa tavela @ DOGMATISME nefa tokony hizotra @ ilay tondro zotra napetraky Kristy t@ nahatongany ho nofo (INCARNATION). Koa arak'izany, moa ve "Incarné" eo @ olona ve ny hafatra ampitaina sa lasa misavoana any @ habakabaka nefa ny sehatra hafa aza izao efa tafiditra ao @ tokotanin'ny resaka finoana ka manolotra tolotra vaovao @ lafiny SPIRITUALITE izay nanaisotra ny resaka finoana sy Andriamanitra ao anatin'izany "Spiritualité.
Ny "Institution religieuse" anefa tavela sy lany andro @ lafiny bureaucratisation ny asam piangonana.
Fri, 10 Dec 2021 - 32min - 90 - TANY SY RANO
TSETSATSETSA TSY ARITRA 03 Décembre 2021 :
Samy niara nahita sy niaina fijaliana isika vao haingana tamin'ny tsy fahampian drano farany teo.
Lakolosy fanairana sy famohazana antsika Malagasy fa misy loza mandady ka aza mianina fotsiny ny hoe KAPOK'ANDRIAMANITRA ZANY (TSIA!!).
Maneran tany dia mihena ny tahirin-drano ka efa miroso tsikelikely @ atao hoe FINANCIARISATION DE L'EAU izay efa ampiharina any Australie izany. Koa raha ttsy mitandrina isika dia ahiana hanjo antsika koa izany inndrindra rehefa tsikaritry ny mpanam bola ny fahasahirana ara drano.
Fri, 03 Dec 2021 - 26min - 89 - PASTEUR FOTSINY IHANY
TSETSATSETSA TSY ARITRA 26 Novembre 2021 :
Fanontaniana maromaro no aterak'izany lohateny izany :
Fa nahoana no tsy heverina ho toy ny olona rehetra izy ireny ? Iza no mba hitsinjo ireo atao hoe "Charges emotionnelles" ny Mpitandrina ? Ahoana no afahany mamaha ireo "Charges emotionnelles" mitambesatra miny ireo ?Fri, 26 Nov 2021 - 25min - 88 - DIASPORA sa DIAM-POTAKA ?Fri, 19 Nov 2021 - 40min
- 87 - FANAVAOZANA NY FIAINAM-PIANGONANAFri, 12 Nov 2021 - 23min
- 86 - LALÀNA MAHAKASIKA NY ITG/IMG/IVGFri, 29 Oct 2021 - 1h 06min
- 85 - POPULISME RELIGIEUX! PSEUDO PURITANISMESat, 23 Oct 2021 - 1h 19min
- 84 - RAPPORT "SAUVE" C.I.A.S.E (Commission Independante sur les Abus Sexuels dans l'Eglise)Sat, 16 Oct 2021 - 1h 08min
- 83 - AN'IZA MARINA MOA NY FIANGONANA ?Fri, 08 Oct 2021 - 40min
- 82 - BOKY MANELINGELINA NY BAIBOLY
Mbola mitana ny laharaha voalohany amin'ny boky amidy (best-seller) sy vakiana eran-tany ny Baiboly. Miteraka fialonana na jalousie izany ka voameha mahaliana ireo mpanenjika ny hamaky azy. Noho izany, na ny mpakafy na ny mpankahala dia samy mividy na mamaky azy avokoa. Tsy manao "publicité gratuite" ho an'ny Baiboly ve izany?
Voaresaka eto koa ny analyse académique an'izay voarakitra ao anatiny amin'ny alalan'ny "lecture empirique pragmatique". Inona kosa no ateraky ny famakiana azy io ho an'ny "lecteur lambda"?
Fri, 24 Sep 2021 - 1h 08min - 81 - RESAKA SARY sy "MANIPULATION"Fri, 17 Sep 2021 - 37min
- 80 - HETSIKA MOFO DIMY SY HAZANDRANO ROA/ S.O.S ANJAPALY
Rehefa niala sasatra nandritra ny iray volana ny tenako, dia miverina indray izao ny fandaharantsika. Koa @ ity anio ity dia HISY FANAMBARANA HATAOKO ary @ zany ihany koa no hitondrana ny vaovao sy voan-dalana nandritran'ny fialan-tsasatra nitaon-jezika tany MADAGASIKARA.
Ny hany azoko tenenina dieny izao, dia tonga ny fotoana hirotsahana feno sy tanteraka ho @ ASA FANOMPOANA DIAKONALY ny mpiray tanindrazana.
AMPY IZAY NY FIANAHANAHANA ATAON'NY MPANAO POLITIKA ISAN-TSOKAJINY.
MILA NY ZANAKY NY FIANGONANA NY FIRENENY HIJORO EO @ BANGA.
Fri, 10 Sep 2021 - 49min - 79 - Hasard ve sa Providence ?Tue, 03 Aug 2021 - 47min
- 78 - Ny "Rationalité" sy ny Finoana ve mahay miaraka ?
Mazàna ny hevitra entin'ireo izay mitonon-tena ho "Athée" dia hanazavany ny antony maha Athées azy ireo dia noho io resaka "rationnelle" io.
Noho izany, dia tsy mampaninona ndao ary hoentina @ resaka "rationnelle" indray ary ny resaka mahakasika ny finoana. Koa ny "Approche" ho entiko hampifandraisina ireo tontolo roa lazaina fa mifanipaka ireo dia ny atao hoe "Approche THEOLOGIE NEGATIVE na APOPHATIQUE (Marihiko tsara tsy approche teolojika akory fa teoljia négative).
Raisonnement mathématique ampifandraisina @ logique tarafina @ principen'ny SORATRA MASINA. Io no fanamby hoentiko eo.
Fri, 23 Jul 2021 - 27min - 77 - DEMOKRASIA sa DEMONKRASIA ?
Hoy ilay fitenenana malaza hoe: VOX POPULI, VOX DEI izany hoe Feon'ny vahoaka feon'Andriamanitra (hono!!).
Raha @ lafinny ara pinoana moa dia efa tsy mitombona sahady io fitenenana io. Fa na tsy hojerena @ lafiny ara-pinoana koa dia mbola tsy mitombona koa ny fiheverana fa "masina" (sacré) ny SAFIDIM-BAHOAKA. Vahoaka izy anefa? Inona no atao ao ambadiky ny teny hoe "Vahoaka".
Izany rehetra izany, dia isan'ny hanehoana amintsika fa ny DEMOKRASIA dia isan'irony ataon'ny mpandinika ho "UTOPIE". Ary hoezahina ho aseho @ ity fandaharana ity ny fitaka be vava nasesika ny saintsika fa ny DEMOKRASIA no filamatra. Fa ny tantara no maneho fa LAINGA tanteraka izany.
Araka izany, miorina eo amboni'ny lainga izany, ka mahatonga ahy niteny hoe DEMONKRASIA (Demon: rain'ny lainga).
Fri, 16 Jul 2021 - 1h 14min
Podcasts similar to Podcast RJL : Réflexion | Justice | Liberté
- Au Cœur de l'Histoire Europe 1
- Hondelatte Raconte - Christophe Hondelatte Europe 1
- La libre antenne - Olivier Delacroix Europe 1
- Les Récits extraordinaires de Pierre Bellemare Europe 1 Archives
- Les pieds sur terre France Culture
- franceinfo: Les informés France Info
- Affaires sensibles France Inter
- Grand bien vous fasse ! France Inter
- C dans l'air France Télévisions
- LEGEND Guillaume Pley
- Le Coin Du Crime La Fabrique Du Coin
- CRIMES • Histoires Vraies Minuit
- Franck Ferrand raconte... Radio Classique
- La dernière Radio Nova
- L'After Foot RMC
- Super Moscato Show RMC
- Confidentiel RTL
- Entrez dans l'Histoire RTL
- Héros RTL
- Les Grosses Têtes RTL
- Les histoires incroyables de Pierre Bellemare RTL
- L'Heure Du Crime RTL
- L'œil de Philippe Caverivière RTL
- Parlons-Nous RTL